SEKOLY AMBONY ISFPS LEADER

Handefa tanora hiasa sy hianatra any Allemagne


  • Zoma 16 Aogositra 2024

Anisan’ny firenena faha-4 maneran-tany amin’ny fandraisana olona ny ao Allemagne ao amin’izao.

Tsy mifidy saranga izy ireo fa rehefa mahay ny teny Allemand sy manana ilay diplaoma eny amin’ny oniversite B1 ho an’ireo tanora mbola hanohy fianarana dia raisiny avokoa. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpianatry ny sekoly ambony ISFPS Leader. Tonga nitsidika azy ireo teny Tanjombato ny masoivohon’i Alemana miasa sy monina eto amintsika afak’omaly Alarobia 14 Aogositra ka nandritra izany no nanatanterahany kaonferansa nentina nanazavana tamin’ireo mpianatra ny tokony hatao sy ny fepetra takiana raha handeha hiasa na hianatra any Allemagne. Manohana tetikasa ho enti-miady amin’ny fahantrana tanterahina eto Madagasikara ihany koa izy ireo ka afaka manampy ireo mpianatra liana amin’izany.Nanome voninahitra izany ny Filoha tale jeneralin’ny ISFPS Leader Atoa Tsimiondrike Mahasoa izay nilaza fa firenena miisa 15 eo raha kely amin’izao no miara-miasa amin’izy ireo toy ny any Chine sy Inde. Efa manana masoivoho miara-miasa aminy moa ity sekoly ambony ity mikarakara ny fandefasana ireo mpianatra mankany Allemange arahin’ny fanampian’ny ambasady izay efa nanaiky hiara-kiasa amin’izy ireo manomboka izao. Hampianarina teny Allemand maimaim-poana ihany koa noho izany ireo mpianatra vokarin’ny ISFPS Leader ho tombontsoan’izy ireo.
Pati
Legende : Nandritra ny kaonferansa niarahana tamin’ireo mpianatry ny ISFPS Leader teny Tanjombato !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT