Fampianarana

Sekoly ambony ISFPS Leader Hanampy ireo mpianatra vao afa-panadinana Bakalôrea


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Hanampy ireo mpianatra vao afa-panadinana bakalôrea ny sekoly ambony ISFPS Leader manerana ny Nosy.

 

Handray anjara amin’ilay Salon des étudiants hotanterahina eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka mantsy izy ireo ny   24 sy ny 25 oktobra  ho avy izao ka ny tanjona dia mba hahafahana manazava amin’ireo mpianatra ny lalam-piofanana mora ahitana asa nefa mahomby mba hisorohana ny tsy fananan’asa mianjady amin’ireo tanora marobe eto amintsika. Anisan’izany ohatra ny lalam-piofanana Paramed izay efa hananan’izy ireo fiaraha-miasa manokana amin’ny Royaume-Unis.  Ho afaka hiasa avy hatrany any ivelany araka izany ireo mpianatra manana ny mari-pahaizana licence mivoaka ao amin’izy ireo raha afaka manohy lalam-piofanana raha ireo mbola te-hanohy fianarana. Toraka izany koa ireo mandalina lalam-piofanana hafa saingy tsy maintsy mahafehy tsara ny teny Anglisy kosa. Ny 13 Novambra ho avy izao moa no hiditra ny sekoly,  ka anisan’ireny ny ao Toliara sy Ambovombe ary Tolagnaro.

Pati

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT