Fampianarana

Sekoly ambony INSPNMAD Namoaka Paramed 321 mianadahy


  • Sabotsy 12 Mey 2018

Ho fanomezan-tanana ny fitondram-panjakana, indrindra ho fiarovana ny ain’ireo reny sy zaza Malagasy dia namoaka paramed miisa 321 ny sekoly ambony INSPNMAD ny alakamisy teo.

Ny 166 mianadahy amin’ireo dia mpampivelona avokoa, 131 mpitsabo mpanampy, sivy manampahaizana misahana ny laboratoara raha  miandraikitra ny management de qualité de sécurité et des soins kosa ny 15 ambiny. Notolorana ny maripahaizana Master II avokoa izy ireo ary efa afaka miasa avy hatrany. Nomarihin-dRtoa Hianta Marie Lucienne, lehiben’ny departemanta nasionaly momba ny fanabeazana eo anivon’ity sekoly ambony iray ity fa ny hahafahana mampitombo ny isan’ireo mpampivelona eto amintsika no tanjona izay mbola 16.000 ho ana vehivavy iray. Hiparitaka manerana ny Nosy izy 321 mianadahy ireo  ka na tsy hahazo asa eny anivon’ny  hopitalim-panjakana aza dia afaka manokatra  tobim-pitsaboana ho an’ny tenany manokana. Tonga nitarika ny lanonana ny filoha mpanorina ny sekoly Atoa Razanadrakoto Rolland Albert. Ankoatra ny sekoly tsy miankina tahaka izao moa dia fantatra ihany koa fa hanangana sekoly roa lehibe eto amintsika hamokatra Paramed ny fitondram-panjakana.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT