Fampianarana

Sekoly ambony INSPNMAD Namoaka mpampivelona sy mpitsabo mpanampy 333 isa


  • Alatsinainy 18 Febroary 2019

Ny hampitomboana ny isan’ireo mpampivelona sy mpitsabo mpanampy manerana ny Nosy no tena tanjon’ny sekoly ambony Inspnmad hahafahana mampihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eo am-piterahana.

 

 

 Mpianatra miisa 333 misehatra amin’izany indray no navoakan’izy ireo tamim-pomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo ka misy ny mpampivelona sy ny mpitsabo mpanampy. Tao koa ny technicien de laboratoire  sy ny massothérapeute.  Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fahafolo taonan’ny sampana Paramed izany. Raha araka ny fanazavan-dRtoa Ihanta Marie Lucienne, anisan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny sekoly dia afaka miasa avy hatrany ireto mpianatra navoaka ireto.  Efa nomena azy ireo hatrany am-piandohana mantsy ny traikefa hahafahany  mamorona asa ho an’ny tenany na koa hitadiavany asa any amin’ireo tobim-pitsaboana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana hahatanteraka ilay teny filamatr’izy ireo manao hoe : chômage 0. Nampianarina teny vahiny ihany koa ireto mpianatra ireto, fiaraha-miasan’ny sekoly manokana tamin’ny Alliance Française.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT