Fampianarana

Sekoly ambony IMGAM “Aza miandry tolorana asa fa manangana orinasa”


  • Alatsinainy 12 Septambra 2022

Niampy 1500 mianadahy indray ireo tanora manam-pahaizana eto amintsika. Tena mila sy mitaky manampahaizana tahaka izany ny firenena Malagasy raha araka ny fanazavan-dRakotoson Martin, filoha tale jeneralin’ny sekoly ambony IMGAM.

Tsy vola mantsy no ilaina eto amin’ity firenena ity hoy izy fa olona be hevitra. Olona tia karokaroka afaka hamorona asa ho an’ny tenany izany hoe : ho lasa mpandraharaha ary hanampy ireo manodidina azy. Tahaka izany ireto mpianatra 1500 navoakan’ny IMGAM tamin’ny faran’ny herinandro ireto. Tsy hiandry ny Fitondram-panjakana hanome asa ho azy izy ireo fa avy hatrany dia hiditra eo amin’ny fananganana orinasa ho an’ny tenany avy hatrany ka ho afaka hanolo-tanana ireo tanora namany hafa. Misandrahaka amina sehatra maro izy ireo toy ny asa fanamboaran-trano, ny asa tanana, ny asa fambolena indrindra fa ny fidirana an-tsehatra amin’ny resaka voly fanondrana toy ny jirofo, ny kafe, ny lavanila, ny kabaro ary ny tsaramaaso. Nambaran-dRakotoson Martin, filoha tale jeneralin’ny IMGAM hatrany fa mbola tena malalaka azon’ny tanora Malagasy hivalamparana tsara ireo sehatra ireo saingy ilay fisainana tia karokaroka sy vonon-kiady sisa no andrasana. Tsy tsara ohatra ny miezaka ny manao zavatra tsara hatrany araka izany raha ny nambarany. Raha mametraka drafitra A ny mpianatra iray ka sanatria misy sakana na lavo dia tokony hiarina hatrany ary tsy mijanona raha tsy tratra ilay tanjona. Tsy tokony hisy ny drafitra B hoy izy raha te-ho tafita ny tanora Malagasy iray.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT