Fampianarana

Sekoly ambony ENS Namoaka mpampianatra matihanina 258 isa


  • Alatsinainy 03 Desambra 2018

Namoaka mpampianatra 258 mianadahy ny sekoly ambony ENS etsy Ampefiloha. Ny 194 amin’ireo no notolorana ny mari-pahaizana licence misalotra ny anarana Tafaray raha nahazo ny master –pro kosa izany hoe :

 

 

 

 

 ho afaka handimby ireo mpampianatra handeha hisotro ronono tao amin’ny ivontoerana nanofanana azy ny andiany Santatra misy ankizy 64 mianadahy. Fantatra tamin’izany fa horaisin’ny Fitondram-panjakana ho mpampianatra eny anivon’ny CEG sy lisea eto amintsika avy hatrany izy ireo ho famenoana ny banga eny anivon’ny sekoly. Mahatratra an’arivony isam-bolana mantsy ny filàna mpampianatra eto amintsika, antony mahatonga ireo sekoly sasany tsy afa-misokatra mihitsy noho ny tsy fahampian’ny olona hampianatra. Nambaran’ny talen’ny sekoly ENS moa fa miavaka hatrany ireo mpianatra havoakan’izy ireo isan-taona.  Manaraka ny rafitra LMD ny fampianarana hatolotr’izy ireo izay mandeha mankany amin’ny fanavaozana sy ny fanatsarana hatrany. Tsiahivina moa fa nandritra ny famaranana ny herinandron’ny ENS izay notontosaina tamin’ny herinandro teo no namoahana ireto mpianatra an-jatony ireto.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT