Fampianarana

Sekoly ambony ENAM Hanofana ny DREN sy ny Lehiben’ny Cisco


  • Talata 16 Mey 2017

Notanterahina omaly alatsinainy 15 mey teny amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Anosy ny fifanaovan-tsonia tamin’ny alalan’ny minisitra Paul Rabary sy ny sekoly ambony manofana ho mpitantana ny raharaham-panjakana (ENAM) tamin’ny alalan’ny talen’io ivontoerana io, Pascal Rabetahina.

 Votoatin’ny hetsika ny fanokafana lalam-piofanana manokana hanofana ireo olona hitantana ny rafi-pampianarana eto Madagasikara, dia ny DREN sy Cisco mba hanamafisana ny fahaiza-manao. Tsy fanofanana ho mpampianatra mivantana izy io fa fiofanana mirona bebe kokoa amin’ny fanomanana olona hitantana ny antanantohatra eo amin’ny rafi-panabeazana eto amin’ny firenena, araka ny fanazavan’ny minisitra Paul Rabary. Maro ireo fiofanana homena azy ireo, toy ny haitarika “leadership”,  ny fitantanam-bola, fifandraisana … araka ny fanazavan’ny talen’ny ENAM Pascal Rabetahina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka BakalĂ´rea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT