Mitombo isan-taona ireo ankizy afa-panadinana bakalorea kanefa tsy ho tafiditra ao amin`ny oniveristem-panjakana avokoa izy ireo.
Ilaina, noho izany, ny fampanaraham-penitra ireo toeram-piofanana ambony tsy miankina amin` ny fanjakana mba hananan` ireo mpianatra marim-pahaizana ambony. Hiha-mafy, araka izany, ny fitsirihana sy fanaraha-maso amin` ireo sekoly ambarantonga ambony tsy manara-dalàna, hoy Pr Randrianambinina Blanchard, sekretera jeneralin`ny Ministeran` ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES). Nomarihany fa rehefa manao fitsirihana an` ireny toeram-piofanana ambony ireny dia tsy tonga dia hanakatona sekoly fa kosa manentana ireo tompona sekoly mba hiditra amin` izany fanarahana fenitra izany. Manome roa (2) na telo (3) volana kosa ny ministera mba hanaovana izany fanavaozana izany fa raha toa ka tsia dia voatery hiditra amin`ny fanakatonana ilay sekoly. Eo amin` izay fampanarahana fenitra ireo sekoly ambony izay hatrany dia tokony hanavao ireo lalàm-piofanana ao aminy ireo sekoly ambaran-tonga ambony nahazo fahazoan-dalana manokana (Habilitation) izay nahafeno ny fe-potoana dimy taona araka ny rijan-teny mifehy ny “habilitation”ao anatin`ny rafim-pampianarana LMD, hoy ny tale jeneralin` ny MESUPRES, Rtoa Raharimalala Laurence. Amin`izao fotoana izao, miisa 1065 ny lalam-piofanana amin` ireo sekoly ambaratonga ambony tsy miankina eto Madagasikara nankatoavin` ny fanjakana ary toeram-pampiofanana ambaratonga ambony miisa 280 no nahazo fahazoan-dalana manokana. Ny taona 2013-2014 isika teo Madagasikara no nampihatra ny rafim-pampianarana LMD kanefa mbola maro ny ezaka atao hampanaram-penitra ny ezaka eto amintsika raha ny tatitry ny Ministeran` ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES) ny faran` ny herinandro lasa teo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.