Fampianarana

SEKOLY AMBARATONGA AMBONY Latsaky ny 25 % no afaka manohy izany eny ambanivohitra


  • Sabotsy 22 Aprily 2017

Latsaky ny 25 %-n’ireo ankizy afa-panadinana Bakalôrea any ambanivohitra no fantatra fa mba afaka manohy ny fianarany eny anivon’ny sekoly ambaratonga ambony raha mahatratra 70% mahery eto an-drenivohitra.

 Tena goavana io elanelana io raha araka ny fanazavan’Andrianambinina Djohary, tale jeneralin’ny CNTEMAD omaly ka tsy maintsy ezahina harindra. Miankina amin’ny fahaizan’ny olona iray rahateo ny ho aviny any aoriana, izay hiankinan’ny toekarem-pirenena ihany koa. Mba hahafahana manampy ireo ankizy any ambanivolo ary dia nosokafana ny faran’ny herinandro teo tany Mahanoro ny tendron’izy ireo vaovao. Nandritra ny fitsidiham-paritra notanterahiny tany an-toerana no nanatontosany izany sady nihainoany ireo hetahetam-bahoaka toy ny tao Vatomandry ihany koa. Tanora marobe tokoa no liana izay marihina fa efa saika handao ny varavaran-tsekoly avokoa raha tsy nanitatra ny tendrony ity sekoly ambony iray ity.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT