Fampianarana

Sekolin’ny marenina Notoloran’ny Airtel fitaovana marobe


  • Alarobia 14 Jona 2017

Fikambanana iray miezaka manampy ireo ankizy manana olana ara-pihainoana eto amintsika ny Sekolin’ny Marenina Madagasikara eny Ambatoroka. Miisa 33 mianadahy ireo zaza beaziny ao ankehitriny ka ny 14 amin’ireo no kilasy mandry.

Mbola  misedra olana hatrany anefa ny fikambanana amin’ny famoaham-bola tanterahiny, antony nikarakaran’izy ireo hetsika fitadiavam-bola, andro vitsy lasa izay. Fampisehoana niarahana tamin’ilay mpanao hatsiaka Frantsay Philippe Mayamat izy ireo nampitondraina ny lohateny hoe : « tsy teraka teto an-tany ianao ! » no notontosainy tamin’izany.  Nahavory olona marobe tokoa ny hetsika tamin’ny ankapobeny. Anisan’ny nanohana sy nitondra fanampiana tamin’izany ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar, notarihin’ny tale jeneraliny Maixent Bekangba. Nambarany fa miezaka hatrany ny manohana ny sehatry ny fanabeazana eto amintsika ny Airtel ho fitsinjovana ny mpiara-belona.  Tafiditra ao anatin’izany ny lafiny ara-pitaovana. Milina fanjairana miisa valo, kojakoja fampiasa amin’ny asa fanjairana, kojakojan-dakozia fahandroan-tsakafo, niampy fandriana, drap, bodofotsy … no natolony. Ny taona 2009 no niorina ny fikambanana Sekolin’ny Marenina Madagasikara. Tanjony ny hanampy amin’ny sehatry ny fanabeazana eto amintsika, ny fanatsarana ny lafiny ara-tsakafo, indrindra fa ho an’ireo ankizy manana fahasembanana. Miisa  enina ireo mpampianatra ao amin’izy ireo ankehitriny ka ny telo amin’ireo no manana olana ara-pihainoana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT