Sekolim-panjakana

Tsy ampy 2 000 000 isa ny dabilio ilaina


  • Alarobia 24 Janoary 2024

Nanao fampitam-baovao tao amin'ny pejiny Facebook ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena,

Ramatoa Sahondramalala Marie Michelle nampahafantatra fa tsy ampy 2 000 000 isa ny dabilio eny amin’ny sekolim-panjakana. 45 000 dabilio isan-taona anefa no natokana hatreto ao anaty tetibolam-panjakana, raha ny nambarany. Tombanana ho 100 000 Ar - 250 000 Ar eo ny sandan'ny dabilio iray. Nanao tsapa-kevitra izy raha vonona ny olom-pirenena hanome dabolio iray isan-taona ho an’izy ireo ; tsy manome vola fa manolotra dabilio. Raha ny valin’io tsapan-kevitra io hatramin’ny omaly tamin’ny 8ora alina, 67% namaly « Eny » ary 33% kosa nanao « Tsia ». Isan'ireo naneho fahavononana tanteraka amin'izany Andriamatoa Tahina Razafinjoelina, kandidan'ny FTT (Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana) tamin’ny fifidianana filoham-pirenena 2023, izay nanipika mazava fa hoe : tena vonona tanteraka tompoko ary tsy hijerena loko politika ny fanabeazana. Fa mba miangavy : aoka re ny fanjakana tsy handany vola amin'ny rendrarendra sy ny fandaniana tsy mitondra soa fa mba izay tena hitondra fandrosoana mankany amin'ny famokarana no ilofosana.". Tsy hisy firenena handroso raha ny fampianarana no hatao ambanin-javatra, ary manamafy hatrany ilay tenin’i Nelson Mandela hoe : « Ny fampianarana no fitaovam-piadiana mahery vaika indrindra hahafahantsika manova izao tontolo izao ».
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT