Sekolim-panjakana maimaimpoana

Tsy mbola maty paika ka mampisavorovoro…


  • Alarobia 28 Aogositra 2024

Nanapa-kevitra ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena na ny MEN tarihin’ny Minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle

araka ny fanambarany omaly 27 aogositra 2024, fa tsy ampandoavina saram-pisoratana anarana ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra eny amin’ny Sekolim-panjakana ho an’ny taom-pianarana 2024-2025. Navoitra fa ny zava-dehibe dia tafiditra an-tsekoly ny zaza Malagasy. Nomena toromarika ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena sy ny sekolim-panjakana manerana ny Nosy fa tsy misy vola azo alaina amin’ny Ray aman-dReny ankoatra ny fandoavana ny karaman’ny Maitre FRAM non-subventionné raha ohatra ka tena misy izany. Tsy mandoa vola mihitsy raha tsy misy izany. Nolazaina fa hisy fitsinjovana manokana ireo Ray aman-dReny tena sahirana. Nisy ny fifampiresahana tamin’ny Minisiteran’ny atitany hiarahana miasa amin’ny lehibem-pokontany manerana ny Nosy. Ireo fianankaviana manana ankizy tokony hianatra kanefa mbola tsy nisoratra anarana, anatin’ny sokajy marefo, voamarin’ny lehiben’ny fokontany, dia hisy ny fandrafetana ny lisitra sy fampitana izany amin’ny sekolim-panjakana. Tsy maintsy mandray an’ireo ny Talen-tsekoly manerana an’i Madagasikara. Tsy mandoa vola ireo na ariary aza, na ho an’ny mpampianatra FRAM io na ilay « contribution parentale ». Notsihipin’io Minisitra io, fa efa an-taonany maromaro no nisian’io tsy fampandoavana saram-pisoratana anarana io. Misy anefa ny FEFFI Fikambanan’ny Raiamandreny izay manapaka isan-taona hoe : misy ve vola tokony haloan’ny Ray aman-dReny rehefa mampiditra ny ankizy any an-tsekoly? Fanapahan-kevitry ny Ray aman-dReny izany ny mampandoa na tsia ka izay ilay hoe : « contribution parentale ». Nolazain’io Minisitra io fa tsy voatery hatao foana io, fa miankina amin’ny hoe : inona marina no ilain’ny Ray aman-dReny handoavana an’io ? Mety hisy fanapahan-kevitra hanitatra sekoly, hampitombo ny dabilio, hanakarama mpampianatra FRAM,… ka eo no hijerena hoe : azo ekena sa tsia ny fampandoavana vola ny Ray aman-dReny ? Nomarihina fa mbola tsy azo atao ny mandray mpampianatra FRAM vaovao eny anivon’ny sekoly satria ireo mbola tsy fonkionera dia ny Ray aman-dReny no manao fifanarahana amin’izy ireny. Tsy mandray FRAM vaovao sy « Bénévole » taorian’ny 2020 mba tsy ho vesatra ho an’ny Raiamandreny.
TENA MATY PAIKA VE ?
Efa tena mipetrapetraka ve ny paikady hoenti-manatanteraka izany sa fanapahan-kevitra kitaitaitra mety hampisavoritaka ny mpitantana sekolim-panjakana sy ny Ray aman-dReny? Efa misy ihany koa no nahavita fisoratana anarana ka tokony ho efa voalamina mialoha io. Zava-dehibe ny finiavana, ary irariana ny tena hahatontosany saingy tena maty paika sa tandrametaka ? Misy ireo sekoly izay tsy afa-miodina mihitsy raha tsy misy ny vola aloan’ny Raiamandreny fa ny filalaovana an’ilay hoe : ny fisoratana anarana no maimaimpana izany no zava-dehibe, saingy tsy midika fa tsy misy fandoavam-bola hatreto. Sao hampisavoritaka ny Raiamandreny sy ny mpitantana sekolim-panjakana ny mety ho tandrametaka. Tsy vao izao no niresahana an’io maimaimpoana io ary hatrany anaty lalàna, saingy tsy tena izay aloha no nitranga hatramin’izay. Sao sanatria akaiky ny fifidianana dia maka ny fon’ny Ray aman-dReny indray toy ny nanaovana ireo mpampianatra tamin’ny fifidianana depiote hoe : hampidirina mpiasam-panjakana kinanjo ny Fanjakana nanapaka fa tsy mahazo mampiditra mpiasam-panjakana afatsy miaramila ao anatin’ny 6 volana?

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT