Fampianarana

Sekolim-panjakana Efa mitovitovy amin’ny tsy miankina ny vola aloa


  • Talata 19 Jolay 2022

Efa manakaiky amin’ny eny amin’ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana ny vola aloa eny amin’ny sekolim-panjakana, raha ny fitarainan’ny raiamandreny mampiana-janaka ao amin’ny CEG Ambohibato Ambohimanambola omaly.

Tamin'ny herinandro, hoy izy, ny famoriana ray aman- dreny tao dia amin'ny volana aogositra no aloa ny vola. Fanontaniana miantefa amin'ny minisitry ny fanabeazam- pirenena ny hoe angaha tsy ny minisitera no miantoka ny taratasy sy tsaoka na “la craie” ary ny fitaovana sy kojakoja samihafa hampiodinana ny sekolim-panjakana fa ny mpianatra ihany Ahoana ilay hoe “gratuité” an'ny fampianarana na fisitrahana maimaim-poana ny fampianarana Efa mitovy amin’ny aloa eny amin'ny sekoly tsy miankina io. Inona intsony ny maha sekolim-panjakana an'ilay izy Inona izany no mba anjara birikin'ny minisitera amin'izao Aiza ka hatramin'ny “table banc” avy dia hofaina Aiza ho aiza amin'io moa izany ny fanatanterahana ilay veliranon'ny filoham- pirenena sa manara-penitra hatramin'ny vola aloan'ny mpianatra, hoy hatrany ny fanontaniana mipetraka Isan’ny fitaovana ilaina asaina vidian’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra moa ny “papier rame” izay taratasy miisa 50 isaky ny mpianatra ary mitentina 5000 Ariary. Ny vidina tsaoka na “La craie”, 3000 Ariary. Hatramin’ny ranomainty, ny famafana solaitrabe, ny toeram-pivoahana sy rano ary ilay voalaza teo hoe ny toerana fipetrahan’ireo mpianatra ao am-pianarana dia iantohan’ny ray aman-dreny avokoa ankehitriny. Raha atotaly dia mahatratra eo amin’ny 95.000 Ariary fara fahakeliny eo no lany, raha ny hita ao amin’ity kolejim-panjakana ity raha resaka fampidirana mpianatra fotsiny no resahana.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT