SEKOLIM-PANJAKANA

Be ny manahy fiakaran’ny saram-pisoratana anarana


  • Talata 03 Jona 2025

Raha efa tapitra nampiakatra ny sara-pisoratan'anarana sy ny saram-pianarana aloha

isam-bolana avokoa ny ankamaroan'ireo sekoly tsy miankina eto amintsika dia efa manahy mafy ny mety hisian'ny fisondrotana ihany koa ireo Ray aman-dRenin'ny mpianatra mampiana-janaka eny anivon'ny sekolim-panjakana. Raha nanomboka tamin'ny 20.000 Ar mantsy ny vola naloha ho an'ny zaza iray tamin'ny taona 2023 raha araka ny fanazavan'ny Renim-pianakaviana iray dia niakatra 30.000 Ar izany tamin'ny taona 2024. Manahy ny mety hiakaran'izany ho 40.000 Ar isaky ny ankizy indray izy ireo amin'ity taona 2025 ity ankoatra ny fitaovam-pianarana. Tsy maintsy manomana lela-vola 100.000 Ar isaky ny mpianatra araka izany raha kely ny Ray aman-dReny mampiana-janaka eny amin'ny Epp vao milamindamina ny taom-pianarana vaovao raha 200.000 Ar ny eny amin'ny Ceg. Nomarihin'ireo Ray aman- dRenin'ny mpianatra sendra anay moa fa mbola resabe fotsiny ihany hatreto ny fampanantenan'ny fitondram-panjakana fa maimaim-poana ny fampianaran-janaka eny amin'ny sekolim-panjakana. Mbola izahay Ray aman-dReny ihany mantsy hoy izy ireo no mivesatra ny karaman'ireo mpampianatra FRAM sy ny fampandehanan-draharaha maro isan-tsokajiny. Andrasana indray araka izany izay mba fanamaivanana ny vesatry ny Ray aman-dReny hoataon'ny Fitondram-panjakana amin'ity taom-pianarana vaovao ity.
Pati
Légende : Mafy ny mahazo ny Ray aman-dReny vao mahatafita zanaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT