SEKOLIM-PANJAKANA AO AMBOHIDRAPETO

Nihena 50% ny tahan’ireo mpianatra niditra an-tsekoly


  • Alatsinainy 25 Septambra 2023

Nihena 50% ny tahan'ireo mpianatra niditra an-tsekoly tamin'ity taom-pianarana 2023-2024 ity ho an’ireo sekolim-panjakana

ao anatin’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano. Antony maro no mahatonga izany raha araka ny fanadihadiana natao. Lohalaharana amin’ireny ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano amin’ny fitadiavana ny haninko hanina isan’andro. Zara raha mahita vola anefa ireo Ray aman-dReny, betsaka ihany koa ny tsy an'asa hany ka tsy ao anaty kajy intsony ny fampianaran-janaka. Eo an-danin’izay mbola tafakatra 40.000 Ar ka 70.000 Ar isaky ny ankizy ny vola tsy maintsy alohan’ny Ray aman-dReny eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra ankoatra ireo manana zanaka roa na telo indray manovo fahalalana ao amin’ilay sekoly. Ny ankizy sy ny tanora anefa no ho avin’ny firenena sy kitro hifaharan'ny fampandrosoana. Ny mifanohitra tanteraka amin’izay eo an-daniny no zava-misy iainan’ny ankamaroan’ny Malagasy dia ny fanaovana tsinontsinona ny sehatry ny fanabeazana mba hanabadoana ny taranaka ho avy. Ho entina mankaiza ary ity firenentsika ity raha izao no mbola mitohy ? Ankoatra ity kaominina iray moa dia fantatra fa kaominina maro ihany no mahatsapa fa nihena ny tahan’ireo mpianatra niditra an-tsekoly ao aminy tamin’ity taom-pianarana vaovao ity. Pati
Sary fanehoana: Betsaka ireo zaza tsy mbola tafiditra an-tsekoly amin’izao nefa tokony hianatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT