Fampianarana

Sehatry ny fanabeazana Hifarana amin’ity herinandro ity ny roa volana voalohany


  • Alakamisy 28 Oktobra 2021

Hifarana rahampitso zoma 29 oktobra ny roa volana voalohany nisantarana ny taom-pianarana 2021-2022 ho an’ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga voalohany sy faharoa ary fahatelo ho antsika eto Madagasikara.

 Hiditra ao anatin’ny fialan-tsasatry ny Toussaint mantsy ny mpianatra manomboka afaka rahampitso Sabotsy ka hatramin’ny 07 novambra ho avy izao. Raha araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ireo sekoly tsy miankina sasantsasany teto an-drenivohitradia fantatra fa vao ny 10%-n’ny fandaharam-pianarana no vita hatreto. Tsy mbola afaka nanoatra loatra ny sekoly hoy ny fanazavana noho ny fampitoviana lenta ny fahaizan’ny mpianatra sy ny famerenana tsy maintsy natao, izay samy takaitra navelan’ny valan’aretina Covid 19 avokoa. Mbola hita taratra izany hoy hatrany ireo mpampianatra nandritra ny fanadinana nampanaovina ireo mpianatra tamin’ity herinandro ity. Mbola betsaka ireo lesona tsy voafolaka na dia efa natao tamin’ny taon-dasa avokoa aza. Hisy moa ny varavarana misokatra hihaonan’ireo mpampianatra amin’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra amin’ny volana novambra ho avy izao hahafahana mifanome tanana sy manome ny toro-marika rehetra hampahombiazana ireo mpianatra amin’ny fiatrehana ity taom-pianarana vaovao ity.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT