SECES Tana-Faneken’ny HCC

ny firotsahan-dRajoelina “Lasa henatra ho an’ny oniversite namolavola ny mpitsara”


  • Talata 12 Septambra 2023

Nanambara ho tsy miombon-kevitra amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC tamin’ny

fanekena ny firotsahan’ny filoha teo aloha Andry Rajoelina ny SECES Sampana Antananarivo, ary naneho fa lasa henatra ho an’ny oniversite izay namolavola ny mpitsara sy ny mpahay lalàna iny fanapahan-kevitra iny. “Ny SECES Sampana Antananarivo dia tohina tanteraka mahita ny fepetra sy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Tsy miombon-kevitra ary mametraka fa tany tan-dalàna, tsy misy ambonin’ny lalàna, tokony hajaina ny andininy faha-42 amin’ny lalàna momba ny zomm-pirenena izay tsy misy hanombinana. Tahaka izany ihany koa ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenena”, hoy ny Filohan’ny SECES Sampana Antananarivo Pr Ravelonirina Samy Grégoire. “Misy olona efa nisafidy ny hanary ny zom-pirenena ka tsy tokony ho tafiditra anaty lisitra. Mahatsiaro menatra, ary manongo tena ny oniversite, mamolavola manam-pahaizana, namolavola mpitsara, kanefa zavatra mifanohiitra amin’izany no navoakan’ny HCC”, hoy hatrany io Filohan’ny Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra io. Niantso ny fahendren’ireo mpikamban’ny HCC vitsivitsy 5 na 4 sahy mijoro amin’ny fahamarinana moa ny tenany. “Miangavy anareo mba hametra-pialana tsy misy hatak’andro izay manao ny tsy mety eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny fandraisanareo fanapahan-kevitra araka ny tsy tokony ho izy, dia ianareo no tompon’andraikitra amin’ny hampilamina na hampikorontana ny firenena”, hoy hatrany ny Filohan’ny SECES Sampana Antananarivo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT