Fampianarana

Seces sampana Antananarivo “Tsy ekena ny mpitondra tsy mandray andraikitra !”


  • Sabotsy 02 Martsa 2019

Hentitra ny fanambaran’ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eto Antananarivo na Seces

Tana fa tsy eken’izy ireo intsony ny fitondram-panjakana tsy mandray andraikitra ary tsy ho tompon’andraikitra amin’izay mety hitranga afaka 48 ora raha tsy misy vahaolana mivoaka. Takian’izy ireo ny hamerenana ny zo sitrahan’ireo mpampianatra mpikaroka latsaky ny 15 taona naha voaray ho mpiasa raikitra azy eo anivon’ny oniversite. Tsy hadisoan’ireo mpampianatra no tsy nahatratra ilay 15 taona naha retirety satria nisy ny olana ara-pandaminana noho ny olana mpisy eny amin’ny oniversite, raha ny fanazavana. Mety niasa an-tselika naherin’ny 10 taona koa izy ireo kanefa dia ilaina ny diplaoman’izy ireo sy ny fahaizana sy fikarohany ary ny fahaizany mitarika na “encadrement”. Takian’ny Seces koa ny hijerena manokana ny fitsipika mifehy ny fifidianana eny amin’ny anjerimanontolo na hanemorana fifidianana aloha ka hampananan-kery ilay volavolan-dalàna efa nalefanay any amin’ny mpitondra isan-tokony dia ny hanatanterahana fifidianana handraisan’ny rehetra anjara na “suffrage universel” ka hialana amin’ny akamakama. Mba ho olona iray vato iray. Tsy zakanay ny tsy fampandehanan’ny fitondrana ny atao hoe “reclassement” satria mbola misy ny mpampianatra efa ho 3 taona izao no niandry izany. Efa henonay anefa fa efa volana maromaro no efa foana ilay naoty (note circulaire) eo anivon’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola fa efa foana ny fampiatoana azy io ho an’ny mpampianatra mpikaroka.  Manameloka izay nanome baiko sy nanatanteraka ireny herisetra natao teny Vontovorona ireny koa ny Seces ary nanao antso avo ny mpitondra fanjakana mba tsy hampijaly ny zanaka Malagasy. Araka ny voalaza, efa miandry toromarika ihany koa ny any amin’ny faritra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT