SECES Sampana Antananarivo

“Melohina ny fanitsakitsahan-dalàna ataon’ireo mpisoloky fahefana”


  • Alakamisy 02 Novambra 2023

Mitohy ny grevy satria tsy nisy ilay Filankevitry ny governemanta nantenaina hamarana izany,

hoy ny fanambaran’ny SECES Sampana Antananarivo eo anatrehan’ny toe-draharaha momba ny fitakian’izay ireo. Araka ny heno dia minisitra tokana sisa no mbola tsy nanasonia ireo volavolana didim- panjakana dimy (05) andrasan'ny SECES, raha ny tatitra nataon’izy ireo. “Aza atao takalon'aina na anaovana fifaninanana sy kajikajy politika ny SECES. Ny SECES, Sampana Antananarivo ihany koa dia mampitandrina ireo filoham-panjakana sasantsasany amin'ny fandrahonana sy ny antsonjay ataon'izy ireo amina mpitarika sendika sy amin'ireo mpiasa malagasy. Tadidio fa nampindramin'ny vahoaka fahefana fotsiny ihany ianareo. Sarotiny amin'ny fanajana ny tany tan-dalàna ny SECES, ka manambara etoana fa tsy hangina mihitsy na hitazam-potsiny eo anatrehan'ireo endrika fanitsak itsahana ny fiandrianam-pirenena, sy ny fampisaram-bazana ny Malagasy, amin'ny alalàn'ny fandinganana ireo lalàna velona sy ny Lalàmpanorenana, ataon'ireo misoloky fahefana », hoy io Sendika io tsy nitsitsy. Manameloka ny fanapotehana ny tany tan-dalàna satria izany no mahatonga ny firenena tafahitsoka lalina anaty krizy politika sy olam-pifidianana toy izao. Misy ny Lalàmpanorenana malagasy ifotoran'ny tany tan-dalàna izay hany antoky ny filaminana sy ny fitoniana, hoy hatrany izy ireo. Nahitsy io rantsan’ny SECES io nilaza fa, lasa kilalaon-jaza sy fanamparana hambom-po diso toerana sisa ny fitantanana ny raharaham- pirenena satria toa azo ovaina, ary novaina indray ny didy, efa naitrikitrika, fa tsy azo ivalozana. Nampahatsiahy izy ireo, fa tsy mbola mipetraka eto amin'ny tany sy ny firenena ireo fepetra takian' ireo lalàna sy fifanarahana iraisam-pirenena sy ny Lalàmpanorenana malagasy mba hahafahana manatanteraka sy miantoka fifidianana tsy mitanila, madio sy mangarahara, misy fitoniana ary eken'ny rehetra. Ny fiziriziriana hanatanteraka fifidianana amboletra dia midika ho fiarovana tombotsoan'olon-tokana sy fambolena korontana eto amin'ny tany sy ny firenena, hoy hatrany ny SECES Sampana Antananarivo. Mivory ny Sampana ny Zoma 03 Novambra amin' ny 09 sy sasany, ao amin'ny toerana mahazatra, ka andrasana indray ny tohiny mikasika ny fivoaran’ny toe-draharaha eny amin’ny anjerimanontolo sy ny fijerin’izy ireo ny raharaham-pirenena.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT