Fampianarana

SECES Sampana Antananarivo “Hampisy krizy ny firosoana amin’ny fifidianana”


  • Zoma 23 Martsa 2018

Raha izao no mitohy dia manahy mafy ny SECES (Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy Mpikaroka-Mpampianatra) Sampana Antananarivo fa tsy hitondra filaminana ho an’i Madagasikara velively sady vao mainka hampihitsoka tanteraka ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy eto ny firosoana amin’ny fifidianana fehezin’ny Lalàna fehizoro mikasika ny fifidianana tsy nifaneken’ny rehetra, araka ny fanambarana navoakan’izy ireo omaly taorian’ny fivoriambe notanterahana teny Ankatso.

 

 Koa raisinay ho adidy, hoy ny SECES Sampana Antananarivo ny manaitra ny sain’ny besinimaro fa tsara kokoa raha manatanteraka “Concertation nationale” ialohavan’ny “Concertation régionale” ny Malagasy tsivakivolo hamahana ny olana sy ny disadisa maro lafy manerana ny Nosy. Vonona ny SECES hitondra ny tantsoroka ara-kevitra miaraka amin’ireo Raiamandreny ara-panahy sy ara-drazana mandritra izany rehetra izany. Olona nahazo ny fankatoavana sy ny tsodranon’ny mpikambana SECES rehetra ka afaka mihaino sy mamaha ny olana mianjady aminy sady vonona ny hampandroso miaraka sy tsy mitanila ny oniversite miankina amin’ny fanjakana manerana ny Nosy sy ireo foibem-pikarohana nasionaly no tokony hotendrena eo amin’ny toeran’ny minisitera mpiahy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT