Fampianarana

Seces Antananarivo “Tsy azo ekena ny gaboraraka sy tsy marina”


  • Alarobia 24 Jona 2020

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena dia namoaka fanambarana omaly maraina ny eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo.

 

 

 

Tsy azo ekena hiseho lany sy hahazo faka eto amin’ny ny firenena, hoy izy ireo, ny gaboraraka sy ny fanaovana tsy marina, anisan’ireny ny tsy fahaiza-mitantana sy fanodinkodinana volam-bahoaka satria fanetribem-pirenena izany. Tsapa ny ezaka ataon’ny mpitantana vonjimaika ny MENETP na minisiteran’ny fanabeazana ankehitriny, izay ministera goavana sy tena saro-pady tokoa. Tsy azo hamaivanina kosa anefa ireo olana maro samihafa mila famahana, ireo ezaka fanatsarana takian’ny vanim-potoana ao amin’ny MESUPRES na minisiteran’ny fampianarana ambony, araka ny efa nifampiresahan’ny SECES sy ny fitondram-panjakana mba tsy hisian’ny olana miverimberina intsony eny amin’ny anjerimanontolom-panjakana sy ireo foibem-pikarohana nasionaly. Mifampiankina amin’izany ny fahahafahan’izy ireo manome fiofanana matotra sy mendrika ny zana-bahoaka mandranto fianarana eny sy mitondra ny anjara biriky hampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny fikarohana avo lenta. Manainga ny fitondram-panjakana mahefa mba hanendry haingana izay ho Minisitra vaovao hitantana ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, hoy hatrany ny SECES, sampana Antananarivo.

J. Mirija

Legende : Ny filohan’ny Seces, sampana Antananarivo, Sammy Gregoire Ravelonirina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT