SECES Antananarivo

“Toherina ny rahom-bava hikendrena ny ain’ireo mpitarika sendika”


  • Alatsinainy 18 Septambra 2023

Mitohy ny tolona satria tsy misy vahaolana naroson’ny fitondrana mba hahafahana miverina amin’ny fampianarana,

hoy ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES sampana Antananarivo ny faran’ny herinandro teo. Ho fanoherana ny rahom-bava nataon’ireo mpitondra fanjakana, hanapotehana sy hikendrena ny ain’ireo mpitarika ny sendika SECES, noho ny filazan’izy ireo am-pahibemaso ny fanehoan-kevitry ny fivoriambe momba ny raharaham-pirenena, hoy izy ireo. Manameloka tanteraka izany fihetsika maneho herisetra sy mitory hakanosana izany ny SECES Sampana Antananarivo satria tsy ny fandrahonana mpitarika sendika akory no hamaha ny olana sedrain’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ary mampitandrina ny fitondrana mba tsy halaim-panahy hampiasa herisetra ka hanitsakitsaka ny zon’olombelona sy ny zo sendikaly. Manantitrantitra ny SECES fa vonona ny hiverina amin’ny asa fampianarana ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra rehefa feno ny fepetra ahafahany manohy izany. Eo am-pelatanan’ny governemanta iarahan’ireo minisitra mitantana (“gouvernement collégial”) tanteraka ny hoavin’ny zana-bahoaka satria raha mba miroso amin’ny famahana ny olan’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa arak’ireo fitakiana ny fitondrana dia tsy ho sorona velively ireo zanaka malagasy mandranto fianarana ety amin’ny anjerimanontolo. Ny SECES sampana Antananrivo dia mitaky ny famerenana ny “barrière” na sakana, izay nesorina ka nahafahana nanitsakitsaka ny “franchise universitaire” na fiandrianan’ny oniversite ho eo amin’ny toerana tokony hisy azy indray. Io fitaovam-bahoaka io no miantoka izany “franchise universitaire” izany, raha toa ka mbola misy ihany ny fiheverana sy fanajana azy. Mivory ny sampana ny talata 19 septambra amin’ny fotoana sy toerana mahazatra satria manantena ny hitatitra amin’ny mpikambana ireo ezaka hataon’ny governemanta ny mpitarika ny sendika mba hampiravona ireo olana tsy mampisy ny filaminana ara-tsosialy ety amin’ny oniversitem-panjakana, hoy hatrany ny fanambaran’ny SECES sampana Antananarivo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT