SECES Antananarivo

“Miantso ny tena mpitandro filaminana sisa manam-panahy”


  • Alatsinainy 09 Oktobra 2023

Manoloana ny fandratrana sy famonoana ny malagasy mpiray tanindrazana maneho ny heviny eny an-dalambe ny

sabotsy 7 oktobra 2023 teo teto Antananarivo dia namoaka fanambarana ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES Antananarivo fa manameloka ny fihetsika feno habibiana tsy roa aman-tany ataon’ireo herim-pamoretana izy ireo. Aoka ho hajaina ny tany tan-dalàna, ny demokrasia ary ny fihavanana malagasy, hoy ny SECES sampana Antananarivo. Tsy misy na iray aza mahazo tombony amin’ny fifandrafiana sy ny hambom-po diso toerana. Miantso ny tena mpitandro filaminana izay sisa manam-panahy mba tsy hanaiky ho fitaovana hamono na/sy handratra ny mpiara-belona eto amin’ny firenena fa ho sahy kosa hiaro ny fiandrianam-pirenena, ny firaisam-pirenena ary ny soatoavina malagasy. Mila mahay mifampihaino isika malagasy. Mila mifampitsimbina ary miara-mametraka vahaolana tena malagasy ho an’ny firenena malagasy. Mankahery sy miray fo tanteraka amin’ireo izay naratra sy simba fananana, hoy hatrany ny SECES Antananarivo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT