Fampianarana

SECES Antananarivo “Mampaneno lakolosy izahay”


  • Talata 17 Aogositra 2021

Ny fiandohan’ny taona 2021 no efa nanantena ny hisian’ny fanovana manontolo na amin’ny ampahany ny mambran’ny governemanta ny vahoaka Malagasy,

 hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, sampana Antananarivo, ny Pr Sammy Gregoire Ravelonirina, dia miarahaba sy mirary soa noho ny fahaterahan’izany ankehitriny ny SECES, sampana Antananarivo. Manantena ny fitohizan’ny fikarakarana sy ny tsy fanaovana ambin-javatra ny fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana ara-tsiansa ny SECES. Heverinay fa andrakandrana izay 1 taona sy tapany izay ka ankehitriny dia heverina fa efa fantatra amin’ny antsipiriany ny olana misy ary tokony hiaingana amin’izay ny famahana olana ety amin’ny anjerimanontolo sy foibem-pikarohana nasionaly. Tsy tokony hitaredretra intsony sy hanalavitra ny fampiandrasana lavareny ny fitondram-panjakana. Mahita ny ezaka ataon’ny minisitera tomponandraikitray izay mbola voatazona ankehitriny izahay. Mahatsapa koa nefa izahay fa tokony hiezaka mafy kokoa ireo mpiandraikitra ao. Misy ny fimenomenoman’ny olona noho ny fahataran’ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ireo “maintien en activité”. Isan’ny tokony hanairana ny fitondram-panjakana ambony izany na ny fiadidiana ny repoblika na ny primatiora. Mety hiteraka fahatapahana karama ny tsy fandraisana izany ara-potoana ka mampaneno lakolosy izahay. Hadisoan’ny fitondram-panjakana no tsy nikarakara izany ara-potoana ka hiantsoanay ny minisiteran’ny tetibola mba tsy hanapaka karama. Tsy ekena ny fampijaliana ny tontolon’ny fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana ara-tsiansa. 3 taona izay no tsy nahatongavan’ny ora fanampiny, raha tsy tonga ara-potoana ny vola iodinan’ny oniversite, ny vatsim-pianaran’ny mpianatra, ny karaman’ny mpandraharaha, indrindra, ireo zo sy hasin’ny mpampianatra sy ny hafa rehetra dia tsy rariny izany, hoy hatrany ny SECES Antananarivo.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT