Fampianarana

Seces Antananarivo Hanamafy fitakiana raha tsy afa-po


  • Zoma 02 Martsa 2018

Nanao fivoriambe teny amin’ny oniversiten’Antananarivo eny Ankatso omaly ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka (Seces), sampana Antananarivo, nanapahan’izy ireo hevitra mikasika ny olana mianjady amin’ny fampianarana ambony ankehitriny.

 Mitaky ny handraisan’ny fitondram-panjakana fepetra hentitra ka handoa ny saram-pikarohan’izy ireo tsy ho ela (indemnité de recherche) ireo mpampianatra mpikaroka. Anisan’ny takian’izy ireo koa ny hamaritana mazava ao anatin’ny lalàna ny famerana ny ora fanampiny 125 ora isan-taona tokony hiasany. Mitaky ny fandoavana ny ora fanampiny andiany faharoa (2e tranche) tamin’ny taona 2015 sy ora fanampiny andiany voalohany ny taona 2016. Takian’izy ireo koa ny hampitoviana ny oniversite manerana ny nosy ary raha tsy mahafa-po ny fandraisan’andraikitry ny fitondrana manoloana izany dia ho mafy ny fitakiana izay hotontosain’izy ireo eo amin’ny tokotanin’ny oniversiten’Ankatso ny 7 martsa izao. Efa nanambana ny hampiato fampianarana sy tsy hamoaka ny vokatry ny fifaninanana hidirana eny amin’ny anjerimanontolo moa ireto Seces ireto nialoha izao.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT