Fampianarana

SECES Antananarivo “Endriky ny tsy fanjarian’ny fitantanana izao”


  • Zoma 02 Septambra 2022

Ny SECES Sampana Antananarivo, manoloana ny zava-miseho mahatsiravina sy tsy fampiseho masoandro tany Ikongo, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra

eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo, Pr Sammy Gregoire Ravelonirina, dia miondrika am-panajana amin’ireo namoy aina tsy fidiny ary miara-kory amin’ny havan’ireo mana-manjo sy voatakaitra tsy fidiny. Mametraka ny alahelo tanteraka izahay, hoy izy, ny amin’ny zava-doza toy ireny. Endriky ny tsy fanjarian’ny fitantanana eo amin’ny raharaham-pirenena izany rehetra izany. Mety nisy adisoam-paikady nataon’ny mpitandro filaminana matoa ireny nitranga. Moa ve tsy mba azo nosorohina ny tahaka ireny ka natao ny fifampiresahana? Toa olona tratra am-body omby saika haka an-keriny olona varira indray no toa narovan’ny mpitandro filaminana? Misy fetrany ny zon’olombelona. Azo atao ambony mizava ve? Ny zon’iza amin’ireo izany no narovan’ny mpitandro filaminana izay heverina fa solontenam-panjakana? Mavesa-danja kokoa izany ny azy 4 tratra ambody omby sa mety misy ambadika politika? Iza no mpaniraka ireny fangalarana, fakana an-keriny ary mety fanondranana olona varira mpiray tanindrazana, mpiray ra amin’ny tena ireny? Mandrak’ity ny anio toa tsy fantatra mihitsy ny atidoha mikotrika azy ireny fa toa ohatran’ireo mpisehatra mpanao ny hetsika ihany no mody gadraina dia avy eo tsy hay? Manginy fotsiny ny fangalarana harem-pirenena. Valalanina ny vahoaka malagasy maheno hoe misy volamena 37 kg anaty kofrana minisitera iray izay fantatra fa tokana ny hidin’izany kofra izany, fantatra ny olona mitazona azy dia ankehitriny very an-javony fotsiny nefa harem-pirenena. Betsaka ny fanondranana harena an-kibon’ny tany fa rehefa dila ny herinandro na tapa-bolana dia ohatran’ny miravindravina tsy hita avy eo ny tohiny. Tsy zakan’ny vahoaka intsony ny zavatra iainana ankehitriny. Mila mandinika tsara ny fitondram-panjakana, indrindra, eo amin’ny fampiharana lalana satria lasa matimaty fahatany ny tsy manan-tsiny. Isika vahoaka malagasy koa tokony handinika tsara vao manapa-kevitra, hoy hatrany ny SECES Antananarivo omaly.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ambatolampy Tsimahafotsy
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hampitomboana ny

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

Hijery ny tohiny
FTT