SECES Antananarivo

“Afa-baraka tanteraka ny firenena!”


  • Alatsinainy 16 Oktobra 2023

Niarahaba ny vahoaka malagasy tsivakivolo ny SECES na Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka

mpampianatra, sampana Antananarivo, ny sabotsy 14 oktobra teo. Faly mankalaza ny daty nitsipahana ny fanandevozan-tany tamin’ny endriny mivantana, hoy izy ireo, ka nananganana ny repoblika malagasy! Arahaba satria ambaran’ny lalàmpanorenana fa vahoaka masi-mandidy eto amin’ny tany sy ny fireneny! Manana ireo famantarana ny maha firenena mahaleotena rehetra afa-tsy ny fialana eo ambanin’ny ziogan’ny fahantrana. Ireo no zontsika. Ireo no safidintsika ka tsy hanaiky hiverin-dalana ho entin’ny herim-panandevozana amin’ny endriny an-kolaka na amin’ny alalan’ny fitondrana vazaha an-taratasy intsony ny vahoaka malagasy ary mitaky tsy am-pihambahambana ny fananganana rafitra hisitrahan’ny mpiasa malagasy ireo harem-pirenena rehetra foin’Andriamanitra Andriananahary ho azy no sady nandatsahan’ireo razany ny rany nandritra ireo adim-pitolomana ka nahatongavana teo amin’izany repoblika malagasy izany. Sarobidy sy novidiana lafo loatra ny fiandrianam-pirenena ary izany rahateo no miantoka ny fandrosoana mipaka any amin’ny isan-tokantrano. Afa-baraka tanteraka ny firenena ary mitsanga-menatra ny manam-panahy satria mampiboridana tanteraka an’i Madagasikara ireo fanonganam-panjakana sy fanosihosena ny lalàmpanorenana miverimberina ataon’ireo samy anaty andrim-panjakana! Manainga ny vahoaka malagasy rehetra tsy an-kanavaka satria antsika rehetra i Madagasikara ary ireo taranantsika rehetra no ho vonjena mba samy hanaja sy hampanaja am-pilaminana sy am-pirahalahiana ny lalàmpanorenana antoky ny fiandrianam-pirenena izay nimatimatesan’ireo razantsika sy ireo manam-panahy rehetra hatrizay, hoy hatrany ny SECES Antananarivo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT