Fampianarana

Saram-pisoratana anarana ho an’ny mpianatra Niakatra 10 % ka hatramin’ny 50 %


  • Alatsinainy 07 Mey 2018

Lanja miakatra tokoa ny fiainana. Nahitana fiakarany 10% ka hatramin’ny 50 % indray ny fanavaozana ny saram-pisoratana anarana ho an’ny mpianatra amin’ny taom-pianarana 2018-2019 ho avy io.

   Misy hatrany amin’ny 90.000 Ar io fiakarana io raha araka ny fanadihadiana natao tamin’ireo sekoly mampiasa ny teny Frantsay ary manaraka ny fandaharam-pianarana Frantsay eto amintsika raha 20.000 Ar isaky ny ankizy no mora indrindra. Antony ny fiakaran’ny vidim-piainana amin’izao fotoana izay tsy maintsy hanondrotan’ny sekoly ny karaman’ireo mpampianatra ao aminy ihany koa. Toraka izany ireo karazana kojakoja maro samihafa ilaina eny anivon’ny sekoly….Velon-taraina avokoa ireo ray aman-dreny. Eo an-danin’izay tsy azo hisangiana fa tsy maintsy vitaina mialoha ny volana septambra ihany koa ny fandoavana ny vola rehetra eny anivon’ny sekoly ka betsaka ireo milaza fa tsy ho afaka handeha hanao vakansy indray. Mikasika ny fitaovam-pianarana moa dia tsiahivina fa nahitana fiakarany 10 % izany tamin’ny taon-dasa izay mbola ahiana hiakatra hatrany noho ny zava-misy iainantsika eto amin’ny firenena.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT