SARAM-PIANARANA VOLANA SEPTAMBRA

Tsy mbola nahaloa izany ny 80%-n’ny Ray aman-dReny


  • Alakamisy 12 Septambra 2024

Ny fahadimin’ny volana hitsahina farafahatany no fandoavana ny saram-pianarana ho an’ny

ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina eto amintsika. Tamin’ity volana Septambra ity dia tokony nifarana ny 05 Septambra lasa teo izany saingy mbola tena sarotra ny fandidiana. Raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly iray mantsy dia vao ny 20%-n’ny Ray aman-dReny no nahavita izany hatreto. Ny 80% dia mbola mangatak’andro sy miandry amin’ny faran’ny volana avokoa vokatry ny fahasahiranana nateraky ny fampidirana mpianatra nanomboka tamin’ny volana Jolay lasa teo. Tsy sekoly tsy miankina iray na roa no miaina izany fa maromaro mihitsy raha araka ny fanadihadiana natao. Mahatsiaro ho sahiran-tsaina ireo talen-tsekoly vokatr’izany. Ankoatra ny karaman’ny mpampianatra mantsy dia tsy maintsy hampandehanina ihany koa ny fiainana ao an-tsekoly toy ny fividianana fitaovana raha mbola misy tsy ampy, ny fikarakarana tsy maintsy hatao amin’ny foto-drafitrasa toy ny fandokoana ny trano fianarana….Na izany aza dia nilaza kosa izy ireo fa tsy hanaiky raha sanatria ka tratran’ny fandoavana ny saram-pianarana volana Oktobra ny saram-pianarana volana Septambra. Misy amin’izy ireo no nilaza hampitsahatra ilay mpianatra mihitsy raha tsy voaloha ara-dalana ny saram-pianarany.
Pati
Legende : Tsy hitan’ny talen-tsekoly ny hanaovana ireo mpianatra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT