SARAM-PIANARANA VOLANA JANOARY

Betsaka ireo Ray aman-dReny mbola tsy nandoa


  • Talata 07 Janoary 2025

Niverina an-dakilasy nanomboka omaly Alatsinainy 06 Janoary ny ankamaroan’ny mpianatra manerana ny Nosy

taorian’ny fialan-tsasatry ny Fetin’ny Noely sy ny taom-baovao. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina Talen-tsekoly eo anivon’ny sekoly tsy miankina iray dia efa tokony niaraka tamin’ny mpianatra nanomboka omaly ihany koa ny saram-pianarany volana Janoary taona 2025. Tamin’ny ankapobeny anefa dia vao ny 20%-n’ny mpianatra raha nisy no nanefa izany. Ny ankoatra izay dia tonga nianatra fotsiny toy ny mahazatra. Nambaran’ity talen-tsekoly iray ity fa vao mainka ho mafimafy kokoa noho ny tamin’ny fiandohan’ny taom-pianarana teo no mety hahazo azy ireo raha mitohy izao. Saika lany vola tamin’ny fiatrehana ny fety avokoa mantsy ny isan-tokantrano ka tsy vitsy ireo Ray aman-dReny hangataka fanemorana hatrany ary tsy handoa izany indray raha tsy amin’ny fiandohan’ny volana Febroary. Tsy lazaina intsony ny fahasahiranana ateraky ny tsy fisiam-bola, indrindra amin’izao fiandohan’ny volana Janoary izao, hoy hatrany izy. Na izany aza anefa dia nambarany fa tsy mandroaka mpianatra izy ireo fa miezaka mitsinjo ny Ray aman-dReny hatrany raha mbola misy ny azo hatao.
Pati
Legende : Vao miditra ny mpianatra dia efa tsy maintsy aloha koa ny saram-pianarana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT