Fampianarana

Sampana fifandraisana - oniversiten’Ankatso Miisa 3 sisa ireo mpampianatra raikitra


  • Talata 14 Septambra 2021

Vita teo ny taom-pianarana 2019-2020, hoy ny sojaben’ny Fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy ny siantsa mahaolona eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny Dr Fanja Tahina Ralinirina.

Hisy, hoy izy, ny filankevitr’ireo filohan’ny sampana ambaratonga ambony na COPRIES ny 17 septambra izao hiresahana momba ny fidirana amin’ny taom-pianarana manaraka 2020-2021 sy ny fifaninanana hidirana amin’izany. Ireo nahavita fifaninanana tamin’ny volana janoary, noho izany, no hiditra izao. Ho an’izay vao afaka teo kosa dia mbola hisy ny fandaminana hanaovan’izy ireo fifaninanana hidirana ety amin’ny anjerimanontolo. Tsy ampy ny mpampianatra sy mpandraharaha ato aminay. Eo ny hoe maty fa eo koa ireo lasa retirety. Sahirana be izahay ary misy amin’ireo sampana toy ny COMMO (TTF: Fantatry ny rehetra amin’ny hoe Fifandraisana na “communication”) izay be mpifidy ato amin’ny FLSH izao dia nisafidy ny tsy hanao fifaninanana satria mpampianatra miisa 3 sisa no raikitra na “permanent” ao. Mpampianatra an-tselika no manampy azy ireo. Ireo anefa ela be ny fanefana ny ora fampianarany. Vao ny taona 2017-2018 izao ny karaman’ireo voahefa amin’ny ampahany, izany hoe ny 75% fa ny 25% mbola miandry. Miisa 50 any ho any ireo “vacataire” ao amin’ny COMMO ireo amin’ny maha sampana mamolavola ara-kasa na “professionnalisante” azy. Nisy tamin’ireo mpianatra nanomana fanohanana vokam-pikarohana no maty ny mpitarika azy dia nilana fivoriana fandaminana ireny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT