SAMBO FAMAKIAM-BOKY LOGOS HOPE

Hiantsona ao Toamasina tsy ho ela


  • Alakamisy 19 Oktobra 2023

Hiantsona ao Toamasina tsy ho ela ilay sambo famakiam-boky lehibe antsoina hoe :

LOGOS HOPE. Manomboka amin’ny datin’ ny 16 Novambra ka hatramin'ny 13 desambra ho avy izao no hijanonan’izy io any an-toerana izay hisokatra ho an'ny mpianatra sy ny olom-pirenena rehetra. Afaka mamaky boky sy mandray anjara amin’ny fividianana boky ao anatin’io sambo io avokoa ny rehetra noho izany, indrindra fa ny mpianatra saingy mila fahazoan-dalana avy amin’ny tompon’andraikitry ny sekoly kosa. Ity no fivarotam-boky mitsingevana lehibe indrindra maneran-tany izay ahitana boky maherin'ny 5. 000 isa, raha araka ny fantatra. Mpilatsaka an-tsitrapo miisa 350 avy amin'ny firenena maherin'ny 60 no ho hita ao anatin’ity sambo ity izay hanampy ireo olona marobe ho avy handray anjara amin’izany. Mety ho hita ao anatin’ity sambo lehibe ity araka izany ireo karazam-boky tsy hita efa notadiavin’ny mpianatra hatramin’izay amin’ireo karazana tenim-pirenena maro samihafa.
Pati
Legende : Ity ilay sambo ahitana karazam-boky marobe ho avy eto amintsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT