Fampianarana

Salon Madajeune Toamasina Maro ireo mpitsidika ho an’ny andro voalohany


  • Zoma 25 Aogositra 2023

Tontosa soa aman-tsara ny andro voalohany amin'ny ny hetsika “salon madajeune” teto Toamasina, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly.

Roa andro moa ny faharetan’izy io, ka ny andro voalohany dia nanao be fiavy ireo tanora. Niova toerana tamin’ity indray mitoraka ity izany. Foyer Social Canada no nandray ny hetsika andiany faha 6. Fotoana ifanomezana amin’ireo mpianatra afaka bakalorea sy ireo rehetra liana amin’ny fianarana ambaratonga ambony ity hetsika eto Toamasina ity. Nivaly tamin'ity herinandro ity moa ny bakalorea teto Toamasina ka marobe araka izany ireo mpitsidika tamin’ity andro voalohany ity. Raha oharina tamin’ny heritaona, liana dia liana ireo mpianatra sy ray aman-dreny tamin’ity indray mitoraka ity satria dia marobe koa ireo toeram-pampianarana nandray anjara (nahatratra 20 mahery). Ny mampiavaka ny hetsika Madajeune moa dia ny fisian'ny torolalana (orientation) amin'ny fisafidianana ireo fianarana aorian'ny bakalorea izay zava-dehibe tokoa satria hamaritra ny hoavin'izy ireo izany. Ny IT University moa dia mandray anjara amin’ity hetsika ity ary anisan'ireo mpanohana mavitrika ny hetsika Madajeune, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT