SALON INCO

ANDIANY VOALOHANY


  • Zoma 21 Aogositra 2026

Hisy tolotr'asa ho an'ny tanora

Ny 30% -n'ireo tanora 18 ka hatramin'ny 35 taona no fantatra fa tsy an'asa eto amintsika. Namahita aza izy ireo dia manao asa amin'ny sehatra tsy ara-dalana na ny secteur informel. Anisan'ny antom-pisian'ilay Salon Inco andiany voalohany karakarain'ny Flash Event etsy amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina izany. Nanomboka omaly Alakamisy 20 Aogositra ny hetsika, haharitra 3 andro. Ankoatra ny varotra fampiran-tiana ho an'ireo orinasa misehatra amin'ny famokarana sy famoronana ary ny varotra dia misy ihany koa ireo misehatra amin'ny fandraisana tanora hiasa rano fotsiny, raha araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra. Arahin'ny fanomezana fiofanana maimaim-poana mihitsy izany toy ny Make up mba hahafahan'ny tanora mamorona asa avy hatrany. Nambaran'ny Ministry ny asa, ny fampananan'asa ary ny asam-panjakana izay tonga teny an-toerana fa mitondra ny anjara biriky amin'ny fampananan'asa ny hetsika toy izao. Notsindriany fa efa ao anatin'ny fanavaozana ny politika amin'izay resaka fampananan'asa izay ny Fanjakana ankehitriny. Miara-mikaondoha ao anatin'izany ny ministera rehetra sy ny sehatra tsy an-kanavaka. 1.000 Ar ny vidim-pidirana raha olona an'arivony no andrasana mandritra ny 3 andro.
Nangonin'i Pati


Légende : Nandritra ny fanokafana omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT