Fampianarana

Salon des Etudes Supérieures -Madajeune Hifarana anio etsy Mahamasina


  • Zoma 16 Novambra 2018

Hifarana anio zoma etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina rehefa naharitra roa andro ilay “Salon des études supérieures” andiany faha-15, karakarain’ny Madajeune.

 

 

 

 

Sekoly ambony manodidina ny 70 isa no mandray anjara ao, ahitana lalam-piofanana an-jatony entina hanampiana ireo tanora vao afa-panadinana Bakalôirea. Anisan’ny tena nampiavaka ity hetsika ity raha ny fanazavan’Atoa Lahatra Andriamahatsangy ny fisian’ireo lalam-piofanana hahazoana vatsim-pianarana mankany Maorisy. Fa ankoatra izay dia betsaka ihany koa ireo sekoly mampiranty ny fahaizany manofana tanora lahy sy vavy  ho mpampivelona sy mpitsabo mpanampy na dia ho an’ireo tsy manana ny mari-pahaizana Bakalorea aza. Anisan’ireny ny Inspnmad izay nambaran’Atoa Mbola Ratsiarovala, tompon’andraikitry ny serasera ao aminy fa ny 60%-n’ny fianarana ao amin’izy ireo dia fizaran’asa avokoa. Ny hahafahana manampy ny fitondram-panjakana hanaparitahana ireo mpampivelona sy mpitsabo mpanampy no tena tanjon’izy ireo hampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eo am-piterahana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT