Salon des études supérieures » faha-20

Manampy hatrany ireo tanora vao afaka bakalorea


  • Zoma 08 Septambra 2023

Hifarana anio etsy amin’ny Akoor digue rehefa naharitra 2 andro ilay Salon des etudes Superieures andiany faha-20 karakarain’ny Madajeune.

Ny mba hanoroana hevitra ireo tanora vao afa-panadinana Bakalorea no tanjona hahafantarany izay lalam-piofanana tokony arahiny mifanaraka amin’ny asa mba niriany hoatao rehefa any aoriana. Somary niavaka kely ny hetsika tamin’ity andiany ity. Nitombo hatrany amin’ny 75 isa mantsy ireo mpandray anjara raha araka ny fanazavan-dRajaonah Haingo, tompon’andraikitra eo anivon’ny Madajeune. Eo ihany koa ny fisian’ireo sekoly ambony mampianatra sy manofana eto Madagasikara sy any ivelany. Tsy latsa-danja amin’ireo raha araka ny fanazavana azo ny fisian’ny fampianarana hampitain-davitra. Lasa mahaliana ny ankizy mpianatra mantsy amin’izao mantsy raha araka ny fanazavana azo hatrany ny fahafahana mianatra ao an-tokantrano tsy mivoaka, nefa mahazo diplaoma avy eo. Mikasika ny lalam-piofanana indray dia an-jatony ireo haranty eny an-toerana. Ankoatra ny fampianarana amin’ny ankapobeny dia efa misy ihany koa ireo sekoly mampianatra mitaiza zaza, ho an’ireo izay liana amin’izany.Mahatratra 8.000 isa isan-taona moa ireo tanora tonga mitsidika sy maka toro-hevitra isaky ny Salon tahaka izao hoy hatrany Rajaonah Haingo.
Pati
Legende : Marobe tahaka izao ireo tanora mpianatra vao afa-panadinana Bakalorea tonga mitsidika ny Salon d’etudes superieures !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT