Fampianarana

« Salon des Etudes Sup’ » Eny Mahamasina anio sy rahampitso


  • Alakamisy 07 Septambra 2017

Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina anio alakamisy 7 sy rahampitso zoma 8 septambra ny hetsika lehibe momba ny fampianarana ambony, fantatra amin’ny anarana hoe : « Salon des Etudes Sup’ », karakarain’ny Madajeune.

Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina anio alakamisy 7 sy rahampitso zoma 8 septambra ny hetsika lehibe momba ny fampianarana ambony, fantatra amin’ny anarana hoe : « Salon des Etudes  Sup’ », karakarain’ny Madajeune. Efa miditra amin’ny andiany faha-14 ny hetsika amin’izao fotoana. Manodidina ny 70 ireo oniversite tsy miankina sy ivontoeram-pampianarana ambony mandray anjara amin’izany, ka tranoheva hatrany amin’ny 100 no hita eny Mahamasina. Araka ny fanazavan’i  Lahatra Andriamahatsangy, mpanorina ny Madajeune moa dia hampiavaka ny hetsika ihany koa ny tetikasa iray antsoina hoe : « PIPOM », hanoroana hevitra ireo mpianatra mikasika ny lalam-piofanana tokony harahiny sy ny asa mifandraika amin’izany any aoriana, ka tsy handeha an-jambany fotsiny ny mpianatra. Azo Jifaina mandritra ny hetsika ihany koa ny boky « Guide des études et Formation » novokarin’ny Madajeune izay hanampy ny mpianatra amin’ny fitadiavana fianarana azo antoka hahafahana miady amin’ny tsy fananan’asa. Anisan’ny mpanohana, ary mandray anjara mavitrika amin’ity hetsika goavana momba ny fampianarana ity ny sekoly ambony ITU University, izay manana ny foibeny eny Andoharanofotsy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT