Salon des études internationales

Maro be ireo tanora te hanohy fianarana any ivelany


  • Alakamisy 06 Martsa 2025

Te hanohy fianarana any ivelany ny ankamaroan’ireo tanora Malagasy vao afa-panadinana Bakalorea

na koa ireo efa nahazo diplaoma mihoatra saingy te handalina kokoa. Noho ny zava-misy hiainan’izy ireny eto an-tanindrazana mihitsy raha araka ny fanazavan-dRajaonah Haingo, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Madajeune no antony mahatonga izany. Lohalaharana ny hasarotan’ny fitadiavana asa raha eo ihany koa ny havitsian’ilay sehatra manohy fianarana no sady afaka miasa mitady vola ho an’ny eto Madagasikara. Any ivelany, hoy izy, dia manana tombony betsaka ny tanora Malagasy. Sady mianatra izy ireny no afaka mizatra asa avy hatrany arahin’ny fahafahany mampitombo fahalalana amin’ny fifanakalozany traikefa amin’ireo hafa firenena…Tsy ho an’ireo firenena Eoropeana ihany no hahafahan’ny tanora Malagasy manao izany hoy izy fa efa tena mivelatrabe toy ny any amin’ny Nosy rahavavy Maurice, ny ao Thaïlande, Singapour….Na izany aza anefa dia notsindrian’ity tompon’andraikitra eo anivon’ny Madajeune ity fa tena mila vola rehefa hivoaka hianatra any ivelany eny fa na dia ny fanamboarana VISA fotsiny ihany aza. Enina ka hatramin’ny 12 volana eo ho eo no fe-potoana hanomanana izany, izay zarain’izy ireo sy hampahafantariny ireo tanora mpianatra ao anatin’ilay ‘Salon des études Internationales’ andiany faha-15 tanterahiny eny amin’ny Novotel Ivandry nanomboka omaly Alarobia 05 Martsa. Mikasika ireo ankizy sahirana tsy manana fahafahana ara-bola kosa anefa mahay dia nomarihiny manokana fa tokony ho afaka manohy fianarana any ivelany hatrany izy ireny rehefa manana ny fahaizany manokana. Mandray azy ireny ary afaka manome vatsim-pianarana raha ny nambarany ny masoivoho sy ireo fikambanana iraisam-pirenena matanjaka…mba hahatrarany ny tanjona tiany hokendrena. Hifarana anio Alakamisy 06 Martsa ny hetsika.
Pati
Legende : Mahavory tanora marobe tahaka izao hatrany ny Madajeune !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT