Fampianarana

Salon des Etudes Internationales Lalam-piofanana 1000 no azo isafidianana


  • Zoma 02 Martsa 2018

Tena nahavory tanora marobe tokoa hatramin’ny omaly andro voalohany ilay “Salon des études Internationales” karakarain’ny Madajeune etsy amin’ny hotel Cartlon Anosy. Sekoly avy amina firenena maro toa an’i Alemana,

 
 Etazonia,  Frantsa, Maorisy no mandray anjara amin’izany mampiranty lalam-piofanana hatrany amin’ny 1.000 isa. Tanjona, hoy Andriamahatsangy Lahatra, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Madajeune ny hahafahana manatanteraka ny nofinofin’ireo tanora Malagasy, indrindra ireo maniry ny hanohy fianarana any ivelany. Manomboka amin’ny 0 Ar ny vola ilaina amin’izany, hoy izy ho an’ireo mahazo vatsim-pianarana raha mahatratra hatrany amin’ny 12 tapitrisa Ar kosa raha kely no ilaina ho an’ireo te-hanita-pahalalana fotsiny ihany sy hitrandraka asa maharitra any ivelany raha araka ny fanazavan’Atoa Jacky Fanambinana, tompon’andraikitra eo anivon’ny Faneducation izay efa tena  efa havanana tokoa amin’ny fandefasana mpianatra Malagasy mankany ivelany. Nambarany fa miezaka ny Fanéducation manampy ny mpianatra entina hanamaivanana izany sady manoro hevitra ihany koa. Ireo firenen-dehibe toa an’i Etazonia, Canada, Autriche ary Inde ankehitriny no tena hananany sekoly ambony maro afaka mandray ireo mpianatra Malagasy.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT