SALON DES ETUDES INTERNATIONALES

Handroso ireo paikady hahazoana vatsim-pianarana any ivelany anio


  • Alakamisy 07 Martsa 2024

Te-handranto fianarana any ivelany ny ankamaroan’ireo tanora Malagasy

vao afa-panadinana Bakalorea. Tsy manana fahafahana ny ho amin’izany anefa ny 70% -n’izy ireny raha tsiahivina vokatry ny hasarotan’ny fiainana. Na izany aza dia miezaka hatrany ny Madajeune manampy sy manohana ireo tena manam-piniavana amin’ny alalan’ilay hetsika “Salon des etudes Internationales” andiany faha-14 karakarainy nanomboka omaly etsy amin’ny Novotel Convention Ivandry. Tanjona amin’izany ny hampahafantarana ireo tanora Malagasy ireo karazana sekoly mifandray amin’ny oniversite any ivelany na koa sekoly mandefa mpianatra mivantana any ivelany izay efa mahatratra 30 isa. Navondrona amina toerana iray mihitsy izy ireo mba ho fitsinjovana ireo tanora amin’ny resaka fotoana sy saran-dalana raha araka ny fanazavan-dRajaonah Haingo, izay mpikarakara. Ho an’ny anio Alakamisy 07 Martsa ohatra dia hisy ny kaonferansa miisa 6 toy ny omaly Alarobia andro nanombohan’ny hetsika. Tafiditra ao anatin’ireo kaonferansa ireo ny fampahafantarana ireo tanora mpianatra ireo karazana paikady hahazoana vatsim-pianarana mankany ivelany hisorohana ny volabe mety hoalohan’ny Ray aman-dReny. Hatramin’ny omaly moa dia efa nahatratra an’arivony izy ireo no tonga teny an-toerana namantatra ireo karazana fiomanana tokony hataony raha hahazo izay vatsim-pianarana mankany ivelany izay marina.
Pati
Legende : An’arivony ireo mpianatra tonga tety amin’ny Novotel Ankorondrano omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT