Fampianarana

Salon des études internationales Hanampiana ireo te hianatra any ivelany


  • Alakamisy 17 Martsa 2022

Manitsaka ny andro faharoa etsy amin’ny Centre commercial Akoor digue anio Alakamisy 17 Martsa ilay Salon des etudes Internationales andiany faha-12 karakarain’ny Mada Jeune.

 Oniveriste ambony avy amin’ny kaontinanta 5 no fantatra fa mandray anjara amin’izany miaraka amin’ireo vovonana maro samihafa. Raha araka ny fanazavan’Andriamahatsangy Lahatra, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Mada Jeune dia natao indrindra izao hetsika izao mba hanampiana ireo mpianatra Malagasy maniry ny hanohy fianarana any ivelany. Teo aloha dia La Frantsa hatrany no tena nahaliana ireo tanora ireo saingy ankehitriny efa misandrahaka amina firenena maro izany safidy izany toy ny Alemaina, Sina, Etazonia….Tsy tokony hosakana mihitsy ny fisian’ny valan’aretina COVID 19 ho an’ireo maniry ny hanohy fianarana any ivelany raha araka ny fanazavan’Andriamahatsangy Lahatra. Ny miditra eto Madagasikara mantsy no voafetra, raha araka ny fanazavany fa ny mivoaka mankany ivelany tsy olana raha manaraka hatrany ny fepetra ara-pahasalamana ny rehetra indrindra fa ny fananana ilay kara-baksiny. Mampiavaka ity « salón” ity moa ny fanampiana ireo tanora amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fahaizany ny tenim-pirenena vahiny izay ahitana trano eva maro ihany koa eny an-toerana. Haharitra 3 andro ny hetsika.
Pati
Legende : Tanora marobe tahaka izao no tonga teny amin’ny Akoor digue omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT