SALON DES ETUDES

INTERNATIONALES Eny amin’ny Novotel amin’ny 06 sy 07 Martsa


  • Talata 27 Febroary 2024

Raikitra indray ny Salon des etudes Internationales adiany fha-14

karakarain’ny Madajeune sy ireo mpanohana azy amin’ity taona 2024 ity. Eny amin’ny Novotel Convention Ivandry no fotoana, amin’ny datin’ny 06 sy ny 07 Martsa ho avy, izay manana tanjona hanatanteraka ny nofinofin’ireo ankizy mpianatra maniry ny hanohy fianarana any ivelany. Sekoly ambony miisa 20 efa manana traikefa sy manana ny maha-izy azy no handray anjara amin’izany toy ny ESCM, ny Education USA, MCCI. Tsy hanavahana sokajy izany fa rehefa manana ny mari-pahaizana Bakalorea no mihoatra dia afaka mianatra any ivelany avokoa. Toraka izany koa ireo efa nanohy fianarana teto an-toerana saingy te-hanohy any ivelany raha mbola tolotra hafa ihany koa ny an’ireo te-hijanona eto Madagasikara saingy maniry ny hanaraka ny fampianarana any ivelany amin’ny alalan’ny tolotra hampitain-davitra sy ny fitadiavana vatsim-pianarana. Hatreto dia i Inde, Etazonia, La France, Nosy rahavavy Maurice, Turkie, Canada, Singapour no tena tian’ny mpianatra Malagasy hanohizana ny fianarany indrindra. Ho an’ny Madajeune manokana moa dia sady manoro hevitra izy ireo no mampifandray ilay mpianatra amin’ilay sekoly avy hatrany hahafahan’ny roa tonta mifampiresaka sy mikarakara izay tokony homanina. Isika tanora mpianatra sisa araka izany no andrasana. 5.000 Ariary ny vidim-pidirana ho an’ny olon-drehetra raha 3.000 Ariary kosa ho an’ireo mpianatry ny lisea saingy tsy maintsy mitondra karatra hanamarinana izany.
Pati
Legende : Mahasarika tanora marobe tahaka izao hatrany ny Salon des etudes internationales !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT