Mahasarika mpianatra sy Ray aman-dReny marobe
Notanterahina nanomboka omaly Alarobia 04 hifarana anio Alakamisy 05 Martsa eny amin'ny Novotel Ivandry indray Ilay Salon des études Internationales andiany faha-16 karakarain'ny Madajeune. Fahombiazana sahady ny andro voalohany omaly raha ny zava-misy hita teny an-toerana. Tanora mpianatra marobe efa afa-panadinana Bakalorea sy ireo mbola vao hiatrika izany mantsy no tazana nameno ny efitrano hanaovana ny hetsika. Raha tsiahivina kely dia efa mihoatra ny 24 taona ny nikarakarana ity hetsika ity ny Madajeune entina hanampiana ireo tanora Malagasy maniry hanohy fianarana any ivelany. Ireo hiazo an'i Canada, Singapour, Dubaï, Malaisie, France, Inde, Nosy rahavavy Maurice, France no tena betsaka, izay marihina fa saika afa-po avokoa. 3000 Ar ny fidirana ho an'ireo mpianatry ny lisea saingy tsy maintsy mitondra ny karatra maha-mpianatra kosa raha 5.000 Ar ho an'ny besinimaro. Sekoly ambony avy any ivelany sy eto an-toerana maro no mandray anjara amin'izany hanome fahalalana feno momba ireo paikady hahazoana vatsim-pianarana mankany ivelany sy ny lalam-piofanana tokony arahina. Arahina fampahafantarana ireo karazana antontan-taratasy ilaina ho an'ireo mpianatra maniry ny hanohy fianarana any ivelany izany. Betsaka ihany koa ireo Ray aman-dRenin'ny mpianatra tazana niresaka tamin'ireo tompon'andraikitra teny amin'ny Novotel omaly.
Pati
Légende : Tahaka izao sahady ny andro voalohany omaly !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.