Fampianarana

Salon de l’étudiant-Spécial Tamatave Mandray anjara feno ny IT University


  • Zoma 25 Oktobra 2019

Hotanterahina ao Toamasina anio zoma sy rahampitso sabotsy ny andiany faharoa amin’ny “Salon de l’Etudiant-Spécial Tamatave”, karakarain’ny Madajeune.

 

 

Sekoly ambony sy ivontoeram-piofanana maro be no mandray anjara amin’izany, hahafahan’ny tanora Malagasy indrindra ireo vao afaka Bakalorea mahazo torolalana sy tan-tsoroka momba ny fanohizana ny fianarana, na eto Madagasikara na any ampitan-dranomasina. Mandritra io fotoana io no hivoaka voalohany eto Toamasina ny Guide des Études et Formations 2019-2020, hoy ny Mada Jeune mpikarakaraza. Toy ny tamin’ny taon-dasa, dia mandray anjara feno amin’izany ny IT University. Sekoly ambony anisan’ny sangany eto Madagasikara, ary efa namoaka tanora manampahaizana maro eo amin’ny tontolon’ny informatika. Nanomboka ny taona 2011, dia efa maro be ireo tanora navoakany misandrahaka amin’ny sampandraharaha samihafa eto Madagasikara sy any ampitan-dranomasina. Mampiavaka azy ny fanofanana momba ny informatika toy ny programmation, bases des données, réseaux,… Tsy mena-mitaha amin’ny avy any ivelany ny tanora nandalim-pahaizana tao. Nisy mihitsy aza ireo nandray anjara sy tsy nitsanga-menatra tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena momba ny tontolon’ny teknolojia sy ny informatika. Tadiavina maneran-tany ny manampahaizana Malagasy amin’ny tontolon’ny Informatika ankehitriny ary mivelatra amin’izany tsenan’asa izany ny IT University. 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT