SALON DE L’ETUDIANT SPECIAL JANVIER

Misy fanoroana hevitra ny mpianatra vao afa-panadinana


  • Zoma 17 Janoary 2025

Mahasarika tanora mpianatra marobe ilay Salon de l’etudiant special Janvier maimaim-poana

karakarain’ny Madajeune etsy amin’ny hotel le Pave Antaninarenina. Mahatratra 20 mahery ireo oniversite mandray anjara amin’izany nanomboka omaly Alakamisy 16 Janoary izay samy manana tanjona hanampy ireo tanora manana ny mari-pahaizana Bakalorea tara fidirana. Ny lalam-piofanana restauration, informatika, tourisme no nambaran-dRandrianarimanana Kanto Nandrianina, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny Madajeune fa tena tadiavin’ny ankizy amin’izao no sady mora hahitana asa. Manampy azy ireny amin’ny alalan’ilay espace orientation izay misy eny an-toerana rahateo ny mpikarakara momba izay lalam-piofanana tokony hoarahiny. Miainga amin’ilay asa tiana hatao any aoriana izy io amin’ny ankapobeny mba tsy ho sanatria very taona iray na roa ny mpianatra iray vao hiverin-dalana. Tsy izay mety amin’ny namany ihany koa no mety amin’ny mpianatra iray fa miankina amin’ny tsirairay sy asa tiana hatao izany. Hifarana anio Zoma 17 Janoary ny hetsika.
Pati
Legende : Be mpitsidika hatrany ny Salon momba ny fampianarana karakarain’ny Madajeune !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT