Fampianarana

Salon de l’étudiant an’ny Madajeune Toamasina no hisantarany ny fitetezam-paritra


  • Alakamisy 18 Oktobra 2018

Sambany no handeha hitety faritra ny Salon de l’étudiant karakarain’ny Madajeune.

 Ao Toamasina no hisantarany izany ny zoma 26 sy ny sabotsy 27 oktobra ho avy izao entina hanampiana ireo tanora vao afa-panadinana Bakalôrea any an-toerana ihany koa. Raha ny fanazavan’izy ireo mantsy dia anisan’ny faritra be mponina no sady manana tanjaka ara-toekarena ihany koa  Toamasina aorian’Antananarivo noho izany mila tanora manampahaizana sy afaka hanorina ny ampitso. Sekoly ambony tsy miankina maro am-polony no handray anjara izay samy hampahafantatra ireo lalam-piofanana misy ao aminy sy ireo afaka mandefa mpianatra manohy fianarana any ivelany ho an’ireo izay maniry izany. Hisy moa mandritra ireo roa andro ireo ny hafahafan’ny mpianatra  tsirairay avy mijery sy mamantatra ny fahaizany ny teny Frantsay  izay hiarahana amin’ny Alliance Française tsy misy vidim-pidirana. Ho an’ny Madajeune kosa izay mpikarakara dia hanoro hevitra maimaimpoana ireo mpianatra vao afa-panadinana Bakalôrea mikasika ny lalam-piofanana tokony harahiny izy ireo. Ao amin’ny foyer Tranovato Fjkm Toamasina no hanatanterahana ny hetsika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT