Fampianarana

Salon de l’étudiant” an’ny Mada jeune Liana hianatra amin’ny oniversite tsy miankina ny tanora


  • Zoma 04 Aogositra 2023

Mizotra soa aman-tsara araka ny tokony ho izy ny hetsika “Salon de l'étudiant” andiany faha 4 izay karakarain’ny Mada Jeune ao Mahajanga,

hoy ny mpikarakara, Lahatra Andriamahatsangy, omaly, nandritry ny andro voalohan’izany. Manodidina ny 700 isa teo ireo tanora tonga nitsidika ary liana kokoa tamin’ny lalam-piofanana momba ny fizahantany sy ny hotely, hoy izy, na dia misy lalam-piofanana maro hafa azo isafidianana aza. Hita ho mbola liana amin’ny fanohizana fianarana ao aorian’ny bakalorea ny tanora na dia mbola tsy nivaly aza izay fanadinam-panjakana izay. Nitombo ny tanora liana hanohy fianarana amin’ny oniversite tsy miankina sy ny te hanohy fianarana any ivelany, raha ny fahitanay azy. Noho ny olana mateti-pitranga eny amin’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana ve sa antony hafa, hoy hatrany ny tenany? Isan’ny mandray anjara amin’ity hetsika ity moa ny IT University izay ato anatin’ny vondron’orinasa Vidy varotra.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT