Fampianarana

Salon de la rentrée universitaire Hifarana anio etsy amin’ny Aft Andavamamba


  • Alakamisy 16 Septambra 2021

Hifarana anio Alakamisy 16 Septambra etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba rehefa naharitra 2 andro ilay Salon de la rentrée universitaire karakarain’ny Novi information.

 Mahatratra 45 isa ireo sekoly ambony mandray anjara amin’izany, misandrahaka amina trano eva manodidina ny 70 isa. Ho an’ny omaly fotsiny dia nahatratra 4000 isa ireo tanora vao afa-panadinana bakalorea tonga nanatrika izany. An’aliny hatramin’ny andro androany araka izany no tanjon’ny mpikarakara raha araka ny fanazavan’Atoa Sitraka Randrianadison. Tsiahivina moa fa anisan’ny mbola olan’ireo mpianatra manatrika ity salon ity ny mikasika ireo lalam-piofanana tokony arahiny. Toraka izany koa ny fahafahan’izy ireny mipetraka any amin’ilay toerana raha lavitra miala ny renivohitra loatra.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT