Fampianarana

Salon de la rentrée universitaire Hanampy ny mpianatra amin’ny fiatrehany ny hoaviny


  • Alarobia 24 Oktobra 2018

Hotanterahina manomboka rahampitso alakamisy eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, haharitra roa andro, ilay hetsika « Salon de la rentrée universitaire » amin’ity taona 2018 ity.

 

 Ankoatra ireo mpianatra vao afa-panadinana bakalôrea dia anisan’ny omena torohevitra mandritra izany ireo mpianatra efa manana ny mari-pahaizana  licence ka mbola mazoto hanohy ny fianarany. Sekoly  ambony tsy miankina marobe no handray anjara amin’izany izay hampahafantatra ihany koa ny mahasamihafa ny fampianarana  eny anivon’ny oniversitem-panjakana sy ny sekoly tsy miankina. Anisan’ireny ny sekoly ambony ISPFS  Leader. Hampiavaka azy ireo ny fampahafantarana ny mpianatra ny asa mety hataony any aoriana  rehefa misafidy lalam-piofanana iray izy arahin’ny lalàna mifehy ny asa. Tafiditra ao avokoa ny lalam-piofanana lalàna,  ny fitantanana, ny fifandraisana, transit et douane ary ny paramed izay tena mampalaza azy ireo. Tsiahivina fa efa nandalo teto Madagasikara tamin’ny herinandro lasa teo ny ambasadaoron’izy ireo any amin’ireo oniversite miisa dimy any Eoropa hiara-kiasa aminy. Vonona tanteraka izy ireo ny amin’ny fandraisana ireo mpianatry ny ISFPS  Leader maniry ny hanohy fianarana any ivelany. Aorian’ny fahavitan’ny fianaran’ireo mpianatra moa dia azony atao tsara ny mividy ilay trano nipetrahany ho an’ireo izay maniry ny hiasa any an-toerana.

 

 

Pati

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT