SALON DE LA RENTREE

UNIVERSITAIRE 2025


  • Talata 26 Aogositra 2025

Etsy amin'ny Village Voara Andohatapenaka, hifarana anio

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly Alatsinainy 25 Aogositra etsy amin'ny Village Voara Andohatapenaka, haharitra 2 andro ilay Salon de la Rentrée Universitaire taona 2025 karakarain'ny Novi information. Sekoly tsy miankina ambony manana ny maha-izy azy am-polony maro no miara-mandray anjara amin'izany, manana tanjona hanampy ireo tanora vao afa-panadinana Bakalorea amin'ny alalan'ireo karazana lalam-piofanana misy ao aminy. Anisan'izany ny sekoly ambony Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar eny Antsobolo, izay sady mpanohana ofisialy ny hetsika. Hatreto dia injeniera an'aliny no efa navoakan'ny sekoly tao anatin'ny 32 taona nijoroany, miasa eny anivon'ny orinasa ambony sy matanjaka maro eto an-toerana sy any ivelany. Lalam-piofanana maro no hampahafantariny ny mpianatra mandritra izany toy ny droit sy ny technique des affaires, ny génie civil sy ny génie industriel, ny informatika sy ny télécommunication....Hifarana anio ny hetsika.
Pati
Légende : Marobe tahaka izao ireo mpianatra efa navoakan'ny sekoly ambony ISPM !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT